kolikoly (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOLIKOLY

firifiry ny saina no babo
ny fitiavam-bola sy harena!
ary firifiry ny olona no lavo
rehefa tsy mba manam-pahendrena

rehefa kely ny eo an-tanana
dia manita-tsaina hanao tia kely
na havana, na namana
dia hararaotiny ombieny

tsy olon-tsotra, tsy manampahefana
fa voasarika avokoa, hanao risoriso
ka raha tojo ny hadalàna
dia takotakonana amin’ny fomba masiso


hialao ny kolikoly fa tsy mahasoa e! manimba firenena sy fiahamonina, tsy toe-tsaina malagasy io a!

RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
nosoratana tamin'ny 21/08/2017
--------
Rohy:
1284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152