You are here: home > Vetso

LANY JIRO! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

LANY JIRO

oh, tapaka ny jiro
ato an-tranonay
ilay kaly mba natsiro
indrisy fa dia may

moa nahoana kosa
f'angaha moa tsy voaloa,
sa nivadika ho trosa
ireo fakitiora teo aloha?

ao anatin'iray volana
hofan-jiro roa no tonga,
izao no mba vahaolana
omenareo mpitondra

eny e, akory moa atao
fa io dia anareo.
fa hadalana tsotr'izao
ny anay raha toa hiaka-peo

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
20-06-20

Hametraka hevitra

Midira aloha