FONY IANAO LASA!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONY IANAO LASA!!!

fony lasa ianao
dia nangingina ny ankany
raha iny lasana nandao
dia ny alahelo sy tomany
no mba haingon'ny tanana
ka zary mankaleo toa mila tsy ahatamàna

fony lasa ianao
dia nangina ny manodidina
raha lasana nandao
dia tsy mba niakatra fa nidina
ny fari-piainana eto
ka tsy laitra mampisento

fony lasa ianao
dia nangina ny tontolo
ka raha lasana nandao
dia tsy nisy intsony mba nikolo
itsy zaridaina
izay toeram-pakan'aina

fony lasa ianao
dia nangina ilay gitara
KA na ireo hira fitendrinao
aza dia niova lohateny hoe veloma samy tsara
ka iny ianao no dify nisitaka mangina
fa inay eto velon-tsento nilaozan-tiana

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 07/12/2017
--------
Rohy:
748 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155