You are here: home > Vetso

MAHAJANGA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

Mahajanga!

Mahajanga
asa! Angamba,
angamba fantatrao
ireo kolontsaina avy ao;
miavakavaka fiankanjo
rebareba ambany ranjo
Mirebareba lambahoany
Miavaka aok’izany
ny haingon'ny tarehy
fa ny tena rehareha
dia ny bahoejy sy Ambio
ary izao no tadidio
hafa ihany Mahajanga

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05-08-20

Hametraka hevitra

Midira aloha