matoa ianao nekeko (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
matoa ianao nekeko

matoa ianao nekeko
dia ianao no niantefan'ny safidiko
matoa ianao nekeko
dia ianao no hanefako izay ho adidiko

matoa ianao nekeko
dia ianao no efa anjarako
fa matoa ianao nekeko
dia ianao no hamaranako ny tantarako

matoa ianao nekeko
dia ianao mihitsy no tiako
ary matoa ianao nekeko
dia ianao no hany faniriako

matoa aho nitia anao
dia vonona aho tsy handrafy
fa hanaja izay safidiko aho
satria ho anao irery mandra-maty

matoa ianao nekeko
tambon'ny alitara
ka ilay peratra nomeko
no marika manambara

FA TIAKO IANAO ARY AHY IRERY

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 23/11/2017
--------
Rohy:
1249 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104