MBA AMPINDRAMO ! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mba ampindramo ny soratrao aho hiraiko
mba hanembonako ny lasako
ny soratrao mantsy no hanamboarako ny saiko
hanasitrana ny foko, hanasitrana ny ratrako.

mba ampindramo ny soratrao aho ho kaloiko
mba hampamiramirana ny tavako
fa ilay kalonao mantsy toy ny rano ho sotroiko
hanafaka hetaheta, hogohako eto am-bavako

mba ampindramo ny soratrao aho ho vetsoko
mba hanafaka adin-tsaina, hanadinoiko ny fahiny
f'ilay vetsonao iny mantsy no nababo ity foko
ka tiako ho vetsoina ihany koa ankehitriny

mba ampindramo ny soratrao aho hiadiako
Ho entiko miady amin'ny tsy fahalalana
fa ny soratrao mantsy no mampianatra ny fisiako
hahafantatra ny abidin'ny fiainana izay misy fahabangana

mba ampindramo ny soratrao aho ho vinakiko
fa mbola bada tsy mahay miteny
fa raha mahay aho, dia hisy kalo hivoaka avy ato anatiko
ka ho hamparitako ho eny tontolo rehetra eny!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Copyright mai 2017
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - Aingam-panahy
740 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102