You are here: home > Vetso

MISY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

MISY
Misy sombin-kiranao
nalaiko ho sombin-kalo
hamenoko ireo banga
ao anaty tononkaloko
Misy tononkiranao
mitanisa kanto maro
manja tena manja
ka tonga kalokaloko

eo imolotrao!
misy angolam-peo
maranitra sy manga
toa sarotra takarina
toa tsy hita ho hangalarina
ilay feonao somary garagara
noheveriko ho mivalana
hay moa 'zaho, no tsy maharaka izay gadona

misy ampahan-tsoratrao
somary nangalariko
mba hamelomako indray
ny ainga avy ato anatiko
misy teny maminao
novaiko dia namboariko
mba hampalaza indray
ny tononkaloko

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
02 Aogositra 2022