MITSANGATSANGANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITSANGATSANGANA

mitsangatsangana eto ny antokotoko politika
mitsangatsangana eto koa ny antokotoko-pivavahana
ary efa mitsangatsangana eto amintsika
ireo mpitondra rivo-dozan-panjanahana!

ny fitsaram-bahoaka!

io no natsangana mba ho lalàna raikitra
natsangana io ho dinam-piaraha-monina
fa ny fitsàrana eto tsy natao intsony hataitra
fa efa lasa fahavalontsika mponina

dia mitsangatsangana daholo
izay rehetra manampahefana
f'efa azy manontolo
hono rehefa hoe lalàna

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 24/01/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Aingam-panahy
892 1
Mpakafy: Narovantsoa rak
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015