You are here: home > Vetso

NALEOKO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

NALEOKO

naleoko ihany
nitia anao mangina
tato anaty ny foko
dia tsy nisy tomany
na fahoriana
izay mampitoloko

naleoko mihitsy
ninia tsy nijery
ny hakantonao
fa saronako tsiky
amin'izay mistery
ny fitiavako anao

RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
24-09-2021