Nankaiza (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza r’ilahy ireny lalao fahiny
No zary tsy hita intsony ankehitriny?
Irony ankamantatra sy kivarivary
Izay lalao fanaon'ireo namana sy ny tary!

Toa irony kilalao vahiny
No mahazo vahana ankehitriny
F'ilay lalao maha-malagasy
Toa zary takona mangasiasy

Fa nahoana kosa lahy,
Irony lalao vazaha,
No mibahan-toerana,
Sy mahazo laka fa tsy mba ferana

Nankaiza ilay anganon'ny Ntaolo,
No tsy re intsony sa kosa efa haolo?
Sa kosa heverina ho lany andro
Ka tsy tantaraina intsony rehefa maty masoandro!

Nankaiza r'ilahy irony boky tantara?
Toa tsy mahaliana intsony sa ve hoe tsy tsara!
Indrindra indrindra f'irony boky tononkalo,
Indrisy hay moa efa lasa laharana fahavalo!


nosoratan’I RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
nosoratana tamin’ny 12 avril 2017 tamin’ny 19 :37
tanjombato
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Tanindrazana
727 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149