You are here: home > Vetso

NISY FAHATSIAROVANA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

NISY FAHATSIAROVANA

Nisy toerana mangina
nolalovanao tsinahy
saingy tsy azonao an-tsaina
ny tantara noraketiny
nisy toera-manirery
nolalovanao mangina
feno tosin'olon-droa
mikisary tena kanto
tomaratra hasambarana
iny ambohimanina iny

nisy diary nirakitra ny lasa
tavela tany ho any,
voarakitra ao daholo
ireo dina ny fitia
saingy ao anatiny ao!
misy pejy iray maona
tsy nahitana soratra
kanefa nisy sary
tsy haiko vinaniana
izay mba tiany ambara

Misy fo lavitra hazavàna
tavela anaty ny haizina.
fo sakaizan' alahelo
anaty diavolana,
resin'ny toreo
anaty ny alina mangina
saingy ny rotsin'ireo angely
amin'ny kalom-pahatsiarovana

Nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 05-12-2019


Hametraka hevitra

Midira aloha