Nofy (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vohitry ny Nofy

io ilay vohitra kely
izay mahalasa vinany
toa mafinaritra fijery
nefa mbola lavitra ihany!

vohitra tena miavaka,
tena mbola tsy fahita,
toerana iray somary mihataka
angamba io tsy eto amintsika

vohitra iray mahate-honina
toerana iray toa mahatamana
kanefa tsy ahitana mponina
toa tsy mba ahitana tanana

vohitra jinery toa hoe mahafinaritra
hay! vohitra tena mahanonena
ilay masoko nahita izay tsy naharitra
no ndrao ratsy fijery sady nanontany tena!

Dia nofy ve sa tena izy
ity vohitra hitako?
sa ve ho nofin'ankizy
tena aza hitako !

nosoratan'i raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Copyright mai 2017
--------
Rohy:
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137