NY ADY MIRA "TIAKO" (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ADY MIRA "TIAKO"

Niniako tsy jerena
ilay masonao mivandra
mampatahotra ny foko
niniako tsy nohenoina
ny feo mivatravatra
narefitrao ny sofiko

niniako nandosirana
ny salovan'endrikao
mivinitra atezerana
niniako nihodirana
ny fivatravatranao
sangoa dia anahirana

ny tranga mety hiseho...

kanefa,
na inona hatezerana
sy mety ho adintsika
dia ho tanako ny teniko
hoe: tiako foana ianao

n'inon'inona hiserana
eo amin'ny fiainantsika
dia ho zary diam-peniko
ny ho mandrakizay anilanao

"Ry malala tiako indrindra"

Nosoratan'i R'aims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
25-11-20 tamin'ny 19:21
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Aingam-panahy - ahy
581 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106