NY HASIN'NY TENY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HASIN'NY TENY

Ny teny no hajan'ny tena
ka ilàna fandanjalanjana
raha ny teny no harem-pirenena
Dia ny tsipeliny no aza simbàna

raha ny teny no hasin'ny tany
dia masina ny tanindrazana
fa ny tena mahalasa vinany
ny hakanton'ity tenindrazana

Ny teny e, no kanto firindra
tao ny aingan'irony poeta
ny teny no potika simba
tao ny sain'ireo tia herisetra


Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
28-02-2019
--------
Rohy:
1331 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111