NY KABARY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KABARY

ny kabary e, no kanto firindra
tao ny ohabolana sy ireo hain-teny
ny kabary no tsara indrindra
dia mahay izay ny mpitondra teny

raha ny kabary no maro mpihaino
teny kanto no alaoky ny vava
ny mpikabary no maro baraingo?
alaina sary izy mandra-pirava

ny kabary be fandrimpandrika
dia ahitrahitra izay te hisongadina
ny mpikabary no te hifandrangitra
ho mpandrava raha toa tsy mitandrina

etsy ange e!
ny tranom-pody va no vitan'ny vava
izany ve moa ho fanontany
ny tokantrano koa ange ka vitan'ny vava e!
ny kabary no anton'izany

ny kabary am-panambadiana
tsy ho rava na oviana na oviana
mainka mampitambatra fianakaviana

ny kabary na ahoana na ahoana
dia mahasedra ireo vanim-potoana
ka sanatriavina izay ho foana

Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
12-01-22
--------
Rohy:
907 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957