NY NAHITAKO AZY FARANY! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Azo vakiana?
NY NAHITAKO AZY FARANY!
angamba,
kisendrasendra fotsiny
isika nifanena
tamin'iny lalana iny
kisendrasendra,
toa nitera-pahatsiarovana
tsy haiko nohadinoina
ny nahitako anao indray niserana
tamin'iny lalana iny
toy ny volamena hita
tsy mba nangalarina
ny nahitako anao!
toa monja fotsiny ihany,
ny masontsika nifanojo
sy tsela-jery mifangalatra
nefa!
toa nampatsiahy indray
ilay lasana any ho any
ny tsikitsikinao!
toa mbola ilay tatamo
atopatopan-drano
ny fandaingana an'endrikao
toa mbola ilay voasary
nahamanitra ny sahy
tsy niova ianao
ny taona no nitombo
fa ny endrika amam-bika
mbola toy orimbato
no sady tsangambato
iny lalana iny!
ho hany fahatsiarovana
tsy haiko hohadinoina,
ny tora-tsikinao
izay niantefa teo imolotro
no navadiko ho soratra
ho tahiriko an-diary
ho diary volamena
hiandrandrako indray
izay ho kisendrasendra
indray andro any!
RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
22-04-2021
Mombamomba
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 22/04/2021
Mpamangy : 349
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
INAY AHOSARY INDRAY MISERANA
SATRINAY IANAO
NY SARINAO
TIAKO HOHADINOINA
NY TSY ANILANAO!
FITIA VARY IRAY VENTY
O RY FIRENEKO
BAO-DIA
INY OLON-TIANAO INY