You are here: home > Vetso

TONDRAKY NY ORANA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

TONDRAKY NY ORANA.

Tondraka ny tany!
dibo ny tanàna!
oram-batravatra
no nianjera tany ho any
ny akany nahatamana
indreny, rava indray maka
Ny kely mba natsangana
toa potika tsy niangana

angamba...
entin-katezerana va
ny tompon'ny natiora,
no toa manary rano
an'habakaba manga?
sa ny alahelon'ny Mpahary
no nitera-dranomaso
ka nirotsaka avy hatrany
ary,
ny habakin'ny lanitra  
toa taratra hatezerana
ka zary toa mandrahona
amin'ny feon' anjomarany

indrisy...
fa ny zava-nantenaina
mba hany nandraindraina
no toa nandatsak'aina!
ny orana nirotsaka
nandrava sy namotika
ity taniko efa trotraka

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
17 janvier 2022