You are here: home > Vetso

NY SARINAO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

SARINAO

ny sarinao
toa sariaka,
mipariaka,
anaty tambazotra
maontina sy tsotra
manintona ny maro
saingy izao fantaro
tsy  izay tia mizara
no lazaina tena tsara
tsy izay rehetra manja
no manana ny lanja
fa asio fetrany ihany
fa any ambadika any
feno voay ranga nify
ary tsy mitsitsy
fa mandrapaka avy hatrany
fandrao dia hitomany,
raha sendra izay fotoana
indray andro te hihaona
ka raha vita izay natao
dia veloma hono ianao

ny sarinao!
matetika miserana
eo an-kianjan-tserasera
ka tsy azon'iza ferana
izay rehetra haderadera
fa na ny ratsy na ny tsara
na ny manja na ny kanto
dia mipetraka ho tantara
no sady lasa tsangam-bato

Raim's Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
21 Avril 2022