You are here: home > Vetso

NY SORATRAO POETA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

Ny soratrao poeta

Ny soratsoratrao poeta!
aiza ireny no miantefa?
moa am-pon'ny manan-tsaina?
sa ilay ainga be taraina,
no hanery anao hanoratra?

Ny soratsoratrao poeta!
mamy, fa saingy izao anefa
indraindray toa alahelo
indraindray tsiambaratelo
no arantinao an-tsoratra

ny soratsoratrao poeta!
matetika mitoetra
hanabaky ny nofy
indraindray mitondra rotsy
ny sain'ilay mpamaky

ny soratsoratrao poeta!
fitiavana, anatra, saingy izao anefa,
any ho any misy saina
midororo tsy hay lazaina
asa! angamba efa maty

Nosoratan'i RAIMS RANDIRAMALALA (Mahavonjy Aimé)
28-04-2019 tanjombato








Hametraka hevitra

Midira aloha