You are here: home > Vetso

NY SORATRO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

Ny soratro re roy
No hany mba vakio
Ataovy toy ny rano
ny soratro sotroy
No sady tadidio
dia ny tsara no mba tano

ny soratro leiretsy
Ataovy toy ny kalo
Hanala izany sento
Ny soratro raha mety
aza avela handalo
fa hanampy anao hivetso

ny soratro ry lahy
no raketo ao am-po
fa hanampy anao hatrany
ary hanampy anao ho sahy
hikaroka ny soa
hanasoavanao ny tany


Nosoratan’I RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)

Sokajy : Aingam-panahy, rindra

Hametraka hevitra

Midira aloha