NY TENY SY TANIKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENY SY TANIKO

hanandratra anao aho
ry taniko mamiko
hikalo sy hihira,
ireo sora-mandry
natosaky ny ainga
hivetso ireo teny
narafitra ho rima
tiako ho ren'ny tontolo
fa mamy ka mamy
ny mandre teny gasy
tsy kanto foronina
fa kanto natiora
avy tamin'ny Mpahary
ianao manan-talenta
no iriko ho mpikalo,
ireo sora-mirindra
narafitra ho kalo
hanandratra anao aho
ry teniko mamiko
ilay tokana, miavaka
kanto renesina
mahababo ny sofina
ary ny hafatra miafina
tsy takatry ny hafa
ny tsiambaratelony

Koa arovy,
tandrovy,
ary izao no tsarovy!
fa ny teny
no mba solon-dreny
natao hanabe

ary raha toa ka ny tany
no mivarina hatrany
dia tsy iza tsy akory no anton'izany
fa ianao ilay mpanimba
ny tany sy teny, dia ianao iny indrindra
no atao hoe mampiomehy!

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
16 jona 2022
iray volan'ny teny Malagasy
--------
Rohy:
490 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103