NY TSY ANILANAO! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Azo vakiana?
NY TSY ANILANAO!
ny eto sy ny any
tsy misy hafa tsy akory
fa raha sendra tomany
ny maso matory
dia mahatsiaro anao
ny andro sy taona
tsy maintsy hifandimby
ny fo zatra saona
fa ny tena mangidy
ny tsy anilanao
raha sendra tomany
ny maso mikipy
dia lasa vinany
ny saina fa misy
ny tsiaro ho anao
ny any sy ny eto
tsy misy hafa tsy akory
ny fo raha misento
dia tsy embona akory
fa manina anao
ô! ry tiako a!
raha tsy eo anilanao
dia tsy misy hasambarana
raha ny faniriako
dieny izao ianao
no tiako tantanana
RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
03-03-2022
Mombamomba
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 03/03/2022
Mpamangy : 240
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NY TENY SY TANIKO hanandINAY AHO
SARY INDRAY MISERANA
SATRINAY IANAO
NY SARINAO
TIAKO HOHADINOINA
FITIA VARY IRAY VENTY
O RY FIRENEKO
BAO-DIA
INY OLON-TIANAO INY