Ny zanako! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zanako!
Fony ianao mbola zaza,
Ilay mbola tsy ary saina akory,
Dia efa niaina tsy fisiana,
Ary niaina fahantrana,
Ary mbola tsy mahay mibada
Sy tsy misaina afa-tsy matory
Mba hahazoanao fifaliana,
fa ranomaso koa mazàna!

Indro ankizy ianao ankehitriny
Izay tsy misaina afa-tsy kilalao
Ka variana milalao eny an-tokontany
Manao kivarivary iarahana amin'ny namana!
Indrisy mantsy fa adinonao ilay fahiny
Ka tsy mitoetra ao anatinao
Ilay fahantrana izay nandrotsahako tomany
Tamin'ny ngidin'ny tsy fahampiana nisy teo am-pelatanana!

Lehibe izao ianao ry zanako
Ka ny any faniriko
Dia ianao ho tafita
Ka tsy hiaina intsony irony fahantrana
Ilay fahantrana saika nahavery izato anarako
Ka ianao no iriko ary hany fifaliako
Hanarina izany, indrindra izay tsy mbola vita
Tamin'ireo ezaka nataoko noho ny fahaterana!

Nosoratan’i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Copyright 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162