ORA FOHY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORA FOHY!!!

Ora iray monja no mba nihaonantsika
ora fohy monja kanefa dia nahavita
nahafahana ny tafa, nahafahana niresaka

isika rahateo, efa nifanome toky
Ary efa nifanaiky tanaty facebook
fa hihaona kely dia hiresadresaka

dia,
iny ora fohy iny no raketiko an-diary
iny ora fohy iny no andrafetako an-tsary
izay mety ho tohin'ny fiarahantsika

indrisy!
fa tsy hitahita akory anefa dia tapitra ny ora
ilay ora mpanasaraka hialana moramora
dia hametraka veloma fa mbola hifankahita

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
19/03/2018
--------
Rohy:
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0667