pesta (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
pesta!!!!!

moa...! mba tinazanao irony fako miavoavo,
mivangongo, miparitaka mameno lalana?
eny no ahitanao ny fiaraha-monin'ireo voalavo!
sy tontolo andron'indreo sahirana tsy manana
toa tsy mitandro aina akory raha mitady izay ho harapaka
fa manao soroka miara mitady, ary vava miara-mandrapaka

ary indrindra rehefa anaty fiara-fitanterana
dia mihorohoro, kaodikaody ireo mpandeha
ka raha iny misy kohaka, dia ny vava no tapenana
fa resi-tahotra, na indreo fa tari-dositra handeha
ary firifiry koa ireo vaovao no miresaka matetika
fa mbola tsy voafehy ny fihanak'ito pesta?

asa raha fantatrao ny asa miandry ireo mpitsabo
izay miatrika ady mafy isanandro, eny isan'ora
Izay nanao ny ain'ny tsy ho zavatra nefa dia nisy lavo
noho ity asa sarobidy kanefa tsy mba mora
Nisy ireo fanampiana ary maro koa ny ezaka natao
kanefa mitombo isa hatarany ireo matin'ito pesta! hoy hatrany vaovao!

korisam-penin'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 19/11/2017
--------
Rohy:
851 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167