vavaka poeta (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vavaka poeta

Tompo o!
indro ny talentako
entiko hiderana Anao
ka ny kely izay mba vitako
dia atao ho voninahitrao

ary ny kalo izay soratako
dia hankiniko Aminao,
dia hamasino ity sora-tanako
ho entiko hiderana ny Anaranao

dia ilay feoko miantsa,
hiantsako ny fitiavanao
no solom-bavaka asandratra
ho fanandratana ny Anaranao

misaotra Ray o! Amen

Nosoratan'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
24 Aout 2017 teto tanjambato
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - Vavaka - Fitiavana
957 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105