You are here: home > Vetso

raha fitia - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

RAHA FITIA!

Raha fitiavana mandalo
no hangalaranao ny foko
mbola maro tena maro
ny fo  tsy manan-tompo

raha fitiavana amam-bolana
no hitoeranao anilako
dia lalan-kafa hizorana
fa any ho any misy silako

Raha fitiavana tsy aharitra
no atolotrao ny foko
aza dia finaritra
mitia an-tsokosoko

raha fitia feno adalàna
no andrebenao ny fitiavako
izao dia mandehana
fa sao tsy zakanao ny vavako

raha fitia tsy an-terisetra
no angalanao ny ato am-poko
dia fitia tsy manam-petra
no omeko anao ry tiako!

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 07-02-2020

Hametraka hevitra

Midira aloha