RAHA MBOLA MISY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MISY

raha mbola misy saina
entinao hisainana
hiatrehanao ny maraina
dia aza hitarainana
ny zava-manahirana
fa manàna saina tony
dia hatreo am-pilaminana
ary ankino amin'ny ao ambony


fa raha mbola misy fo
mitempo anatinao
dia aza avela hirohoroho
ka hientana hitrao
fa manàna koa fo tony
manàna fandeferana
ary hialao ny lonilony
tsy manam-pahataperana

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
16/02/2018 Tanjombato
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - Aingam-panahy
1198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151