You are here: home > Vetso

RANO NAMPIVARALILA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

RANO NAMPIVARALILA

indrisy...!
ny saiko ity sondriana,
mihanoka hadalàna
toa variana dia variana
tetsy am-patsakàna

hadala va ny saina
sa minia tsy mahalala?
fa ny rano natsakaina
no toa nahalasa adala

ny rano nosotroina,
no indro nampidola
ny tena tsy tsaroana
hay lany koa ny vola

angamba!
eny mety!
fantatrao ny taoka,
fa mampivaralila!
fantatrao fa aoka,
koa hirao ny tononkira
hoe:
"andeha hody aho dieny tsy mamo".

Nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
tanjombato 21-08-2019


Hametraka hevitra

Midira aloha