RANOM-BAVAKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o!
Mba vonjeo ny fireneko
Izay efa mby anaty lavaka
Nefa aoka tsy ny sitra-poko fa ny Anao no ekeko
Ka ny hany faniriako, mba valio ity ranom-bavaka

Ka ny angatahiko Aminao dia ireo mpitondra fanjakana
Mba tena hahay hitondra izato fireneny
Sy ireo malagasy izay miaina fahantrana
Izay efa mila hitraotra, raha misy izay tsy ekeny

Sy ireo mpitandro filaminana
Mba iasa amim-pahendreny
Izy ireny mantsy no hany andry iankianana
Ka iaro sy iady ho an'ny fireneny

Tompo o! mifona re,
Mamindra fo amin'ity nosy maminay
Avelao ny heloky ny nosy madagaisikara
Fa toa rakotr'aizina ka mila hazavana indray
Mba hazava ity nosy mba ho tonga tany tsara

Ka ireo karazam-pivavahana,
Sy ireo karazam-panompoan-tsampy
Ireny ry Tompo aza avela hahazo vahana
Ary irony karazam-paratsiana, aza avelanao hiantsampy

Amin'ity tany izay mamin'ny foko
Fa tohano ny Herinao
Mba tsy hampisy indray toloko
Ka hampitanondrika ireo madinikao

Misaotra ry Tompo!
Misaotra Anao sahady
Ny amin'izay ho valiny
Ka ny vavaka asandratray isak'alahady
Dia hovalianao ary tsy akanao tambiny
Misaotra Tompo o! Amen

Nosoratan’i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Copyright Avril 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
951 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149