REHEFA TIA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TIA!

aza miandry ela akory
fa avy dia akaikaizo
avy dia tomory
sy ankafizo
ny mamy eo imolony

ary aza manontany
izay mety ho antony
dia aza maminany
izay hakantony
sy ny tontolony

fa ... mitiava fotsiny
tiavo izay rehetra eny aminy
tiavo hatramin'ny rotsiny
izay mitantara ny sariny

ary rehefa tia
dia ataovy amin'ny fo madio
mahaiza mankafy
ary izao no tadidio
tsy misy ny ho doria

... ny fo tena tia
io no misy fetrany
fa ny fo mifankatia
no manana ny faharetany



Nosoratan'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
09-02-2022
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113