You are here: home > Vetso

INJANY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

INJANY!

reko,
manako any ho any
ny ritsoka'
ilay fahatsiarovana
bongo,
ny maso tomany
ditsoka
ny fo ka torovana

ny fetra,
no zary mpandidy
ny fotoana
hihazakazahana
ny setra
no afero mangidy
manafoana
ny fahalalahana

Injany,
manako any ho any
ny hiran'(ny)
ilay fahatsiarovana
injany
mitaraina ny tany
Fa dila
ny harena ka fongana

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
6 oktobra 2021