You are here: home > Vetso

ry sakaiza - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

RY SAKAIZA

ry sakaizako fahiny
raha sendra an-dalana eny
ka hifanojo izato maso
dia iriko indrindra iky
raha maso tsy mivandra
no tazako aminao
sitraka eny telina
raha ny molotrao mitsiky
no atorakao ny molotro
ary aoka tsy ho tsiny
raha toa mangala-jery,
ny famindranao milanto
eny tantanan'olon-kafa

finaritra e, ny saiko
tretrika e, ny foko
fa tojo anao sakaiza
mifampibanjina fijery!
nefa ny lasan'ny omaly
sy ny taona nifanesy,
izay navalon'ny fahiny
no nanova ny tantara
dia indrisy,
ianao an-tanan-kafa
no indro sisa tazako
efa toy ny olon-tsambatra!
notinefy fiadanana,
ny sisa azo atao
sy masaka ato an-tsaina
hoe: veloma tsy hiaona

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
22-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha