Ry tanindrazako (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tanindrazako, malalako!
Dia ilay gasikara tany itoerako,
s'ilay tanindrazana fiavin'ireo havako
ka velona hitoerako, maty hilevenako!

na dia aty an-tany lavitra aza ny tena,
dia tsy ho adinoiko ianao ry tanindrazako,
na dia hanjakan'ny alahelo aza dia onena,
ka onena ny foko ka mila tsy ho zakako.

Odrey! izato ianao ry tanindrazako;
ilay tany mpandala ny hoe fihavanana
Toa azo babo izay mila tsy zakako!
ary babon'olon-tokana dia rava fananana

ry gasikara ilay nosy maitso fahiny
efa nosy mena sy efa tany ngazana
ny harenao aza efa lafo tamin'ny vahiny
ka tsy tompony intsony ireo gasikely mpitazana

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155