You are here: home > Vetso

RY TILY! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?


RY TILY!

Ny Tily tena Tily
tsy mitady dera
na doka avy amin'iza
tsy mitady laza
amin'ny asa fanompoany
fa maneho hatrany hatrany
ny tena fahavononany

Ny Tily tena Tily
tsy kivikivy foana
amin'ny asa hiandraiketany
fa sahy mijoro hatrany
n'inona n'inona mitranga
n'inona n'inona fisedra
miserana eo imasony!

ny Tily tena Tily
manaiky ho fehizin'
ireo lalàna folo
sahy miaiky hatrany
izay mety ho hadisoany
indrindra ny hakamoany

TILY : toe-tsaina miabo

R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)

Sokajy : Aingam-panahy