SAIKO TSY MBA KIVY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAIKO TSY MBA KIVY

ny saiko tsy mba kivy
fa ny fiainana no manahirana
ny saiko tsy mba kivy
na mafy aza dia hiezaka ho mirana

ny saiko tsy mba kivy
fa ny fiainana no sarotra
ny saiko tsy mba kivy
na inona sedra dia tsy asiako ady varotra

ny saiko tsy mba kivy
na inona na inona hitranga
ny saiko tsy mba kivy
f'io lanitra io mbola ho manga

ny saiko tsy mba kivy
na inona na inona fitrao
ny saiko tsy mba kivy
fa mbola hisy ny maraina vaovao

ny saiko tsy mba kivy
ny amin'izay mety ho fankahalana
ny saiko tsy mba kivy
fa hizorako ny lalam-pahantrana

ny saiko tsy mba kivy
fa vonona hiezaka hiady
ny saiko tsy mba kivy
fa mbola vonona AHO hitady

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 03/12/2017
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151