SARY INDRAY MISERANA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Azo vakiana?
SARY INDRAY MISERANA
any izay ianao
r'ilay tazako an-tsary
tanaty tambazotra
ilay nahasambatra ny masoko
ilay nampientana ny foko
toa mampirisika ahy
hitia anao mangina
ny tsikinao an-tsary
taratry ny kanto
mantsy,
babonao tanteraka,
ny foko manontolo!
ny endrikao jerena
madera toy ny raozy
rakotra hatsaràna
amin'ny tsikim-pandaingàna.
kanto sady miavaka
raha ny bika sy fijoro,
manja tena manja!
ka mahatorotoro
ny any anatiko any
ka satry tsy hiala
eto amin'ny rindrinao,
ny maso sy ny saina
eny fo amam-panahy
r'ilay tompon'hatsaràna
efa firifiry ireo kisarisary
nifanesy teto
fa ny sarinao irery
no mendrika indrindra
saingy,
indrisy re ry maso
indrisy re ry saina
fa toa indray miserana
ho tazanim-potsiny
ity sarina domohina
manitikitika ny tena
dia mandefa ireo vinany
any an-tsaina any
hoe : any izao ianao
r'ilay tazako an-tsary
tanaty tambazotra
tsy fantatra tantara
fa azo sary an-tsaina
ka dia mametraka sahady
ny veloma tsy hihaona!
Raim's Randriamalala
02 May 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 02/05/2022
Mpamangy : 261
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAHA SENDRA KA...! (ilay Barea)FANIRIAKO
NOFY MITONDRA MANKANY
TAKARO
ILAY AINA
ITY TANINTSIKIA ITY
ILAY SARANGA TSY MITOVY
MISY
NY TENY SY TANIKO
INAY AHO