satriko hihira (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko hihira!


satriko hiraina
isa-maraina,
ireo hira mamy
navalon'ny omaly
satriko hiraina tankariva
ireny kalon'ny antsiva
mampatsiaro ny fahiny
satriko ireo hira ankehitriny
no ho ventesiko isan'andro
saingy mbola misy kalo
sy hira tiako hiraina
dia ireo hira mamin'ny aina,
mandona ny fanahy
no tiako hamelona ahy
rehefa injay aho ka resy,
rehefa injay ka mihalefy
ny finoana anatiko ao
dia ireo hira mitalaho
no iriko mba hamangy,
sy iriko hanambitamby
ny fanahy osako
ka ny hiranao no hirako
r'ilay Nahary ny tontoloko
ka hira mamin'ilay foko
no ventesiko eto izao
ka misaotra indrindra Anao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 22-11-2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
841 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156