SEDRA NY FO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SEDRA NY FO

natopan'ny onjam-piainana
ny fony nireha-pitia
dotran'ny afo natsangana
ka zary tsy tafara-dia

setrain'ny rivo-pandrava
Ilay fo mitempo any ho any
tsy afaky ny handravarava
fa fo efa zatra tomany

Tinondraky ny oram-panala
ilay tsiki-pitiavany omaly
kanefa dia tsy afaka hiala
ka miaritra hatrany ny jaly

ny fialonan'ny tia herisetra,
ho foana rahoviana izy ireny?
Ainga avy amin'irony poeta
no hananganam-pitia eny ho eny

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
09-05-2020
--------
Rohy:
867 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123