SOA FA NOFY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA FA NOFY!

malala a,
aza atao mahasaro-piaro
raha izao lazaiko izao
aoka ianao ho tony
ary aoka tsy hisendaotra
ny amin'ny zavatra lazaiko
fantatro eto mantsy
izay mety ho hatezeranao.
nandritry ny alina tontolo
dia nisy tovovavy iray
tafara-dalana amiko
tovovavy tena manja
tsara sady raitra
meva sady kanto
tsy fantatro hoe avy aiza
ary tsy haiko vinanina
izay toerana niaviany
fa toa tonga tsy nantsoina
hifikitra eo anilako
nandritry ny alina ny foko
dia ampoka hasambarana
lasa tiako izy
ary tiako noho ianao
ny misinao rehetra aza
zary nohadinoiko

malala a!
soa fa nofy ireny
fa raha ts'izany angamba
dia izao tontolo izao
no potika sy rava
nofy tena lalina
nitondra ny fanahiko
hanadino ny eto an-tany
ka ny momba anao rehetra
dia efa nohadinoiko
saingy nisy zava-doza
nampanahy ny saiko
ary ny tena zava-doza
ka nampivaralila
ny foko adaladala!
hay ilay izy "vehivavy vampire"
soa fa nofy ireny
fa raha ts'izany angamba
dia izao tontolo izao
no potika sy rava

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
16-05-20
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Fitiavana
585 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106