TAKARO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAKARO

Malala a,
nisy voa natsipiko izay
teo an-tokotaninao
tsy fantatro hoe oviana
na andro toy ny ahoana
fa ny masaka ato an-tsaiko
hoe : angamba efa nitsiry
ilay voa izay natsipiko
teo an-tokotaninao
na aza efa namelana
manomboka mimaitso
saingy mety tsy ho tazanao akory
malala a, io voa io
no mba hany hantenaiko
hamelona indray
ilay fitiavantsika
ao anatiny ao
raha toa ka tonga vatana
io voa natsipiko io
dia ao daholo no mitoetra
ireo lasantsika

saingy etsy ange e!
ny hany fahavalony
raha iny izy vao mitsiry
dia ny kofafa eny an-tananao
mantsy iny mety handrava,
na hanimba sy hanongotra
ny aminy tontolo
raha toa tsy tazanao
koa hiangaviako ianao
topazo maso kely aloha
ny tokotaninao
izay vao manadio
ka raha tazanao
fa kanto koa ny hatsarany
dia aza mba setraina
fa tondray sy koloy
ary aza afindrafindra
raha sendra mahatsiaro
ny misiko rehetra ianao
dia efa ao anatiny ao
ny zava-miafin'ny fitiavako
izay fa mametraka veloma
ary dia mirarisoa ho anao
hoy ilay tsy manadino

Raims Randriamalala (Mahavonjy Aim)
14-09-2022
--------
Rohy:
496 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152