TAMBERIN-TSIAHY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMBERIN-TSIAHY

midona midona e! ny orana ankaratra
vaky tsipelina ny any anjafy
fa raha midona maresaka ny oram-pitiavana
dia manjopika aok'izany ny lamba tinafy

fa midona mangina mahavaky ny saina
ny embon'ny tsiahin'irony fahiny
fa ny tiana niriana izay mba nantenaina
no indro nikopaka namonjy fodiany

mafaitra tsy laitra ny fisokam-binany
manaitra ny maso izay mbola matory,
angamba, tinaitram-pitia any ho any
ilay domohina fitoetra amoron-kamory

fa ny embon'ny lasa va tsy maintsy tsaroana?
fa toa sento, tomany no setrin'ireny
sa ho ezahana antsoina rafanadinoina
mba hamono mangina ny tsiaro tsy hiteny

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 10 Janoary 2019 20:22
--------
Rohy:
904 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1326