TANIMBONIVOHITRA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tambanivohitra!!!

aza mba ny malabariko
no tsy ahaizanao miaina!
ary ny tsy tantiko
dia izahay ilay mba lazaina
fa tanavo be hao fotsy
na tanavo mpanagotry
ny zanak'iarivo
milaza ho mpanarivo

ary tsy mbola nanamavo
izay mombamonba anao
na lazainao fa tanavo
ambany noho ianao
ry olon'iarivo
Fa tsarovy sy tsiahivo
fa mitrongy ianao vao homana
ka na vola dimy arivo
aza mbola hitolòmana
hitadiavam-bahaolana
isam-bolana,isambolana
ary ny ahy ny malabary
io no manambara ireo harenako
raha tsy hilaza afa-tsy vary
sy ny vola am-pelan-tanako
dia aza mifanambany
fa mbola boribory koa ny tany!

NOSORATAN'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
03/06/2018
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1568 3
Hevitra mandeha
nalsonrazakariasa2015 ( 13/06/2018 19:07)
Raims randriamalala marina izany

Tohiny...Ory tsy havan'ny manana

Aoka aloha r'ise, Ho tohizako ihany
Fa efa tena be, Ireo mpanam-banimbany
Ka na aiza no aleha, Dia ahita an'izany

Hany ka mahatsiaro, Voahilaka ny tena
Koa tsy te hifangaro, Amin'ireo mpanan-karena
Lazaina mantsy fa hoe: Adala indraindray
Sy hoe maloto be, Sy mahantra izahay

Nareo mantsy manana, Mahita fahasambarana
Miankanjo velon-drirana, Manao kiraro mangirana
Fa izahay rovitr'akonja, No hanaovana isan'andro
Herin'andro tsy miova, Toa handevo fa tsy hova

Hoe tambanivolo lava, Maloto lalan-dava
Tsy tarehy tsy tongotra, Tsy nify tsy molotra
Tsizarizary fiaina, Ka hoe tsara raha roraina
Ny akanjo malabary, Tsy minana afatsy vary
Maloto sy voretra, Tsy maha te hitoetra

Aoka izay ny fanambaniana, Fa tsy mitady fitoviana
Aminareo akory izahay, Na dia hoe tsy mahay
Tsy nandalo fianarana, Ory tsy havan'ny manana
raims randriamalala ( 14/06/2018 06:06)
marina izany vao maika tena mafinaritra ny tohiny mankasitraka e
nalsonrazakariasa2015 ( 14/06/2018 07:56)
Tsara ity tononkalonao ity, Tena mahalaza ny tiana hambara mihitsy
Mankasitra indrindra eee
raims randriamalala ( 12/01/2022 06:57)
ilay nanohizanao azy koa ary no tena tsara be koa, ao amin'ilay tena izy mihitsy! efa nolalaoviko an-tsehatra io tononkaloko, mankasitraka indrindra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017