tia aho kanefa...! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tia aho kanefa...!

raha nitopy manodidina ny jinerin'ito masoko
dia ny hakanton'ny endrikao no indro tazako
ka nampidoboka tsy niato ny fitempon' ito foko
ny hakanton-tsikinao niampita tamin'ny vavako

tiako ianao kanefa toa sarotra vinaniana
Ny mety hanekenao izany
ka tsy sahiko lazaina fa naleoko aloha nangina
ary tsy haborako ho anao fa aoka ho ahy ihany

eny e! tiako ianao kanefa...
ary satriko aza ianao ho ahy irery
fandrao sao dia fitia diso fiantefa
ka mahamenatra hampiery

Indrisy fa tanatin'ny fotoana fohy
izany rehetra izany dia tsy ho hitako intsony
ilay endrikao nisalovana ka tantara tsy hitohy
ka nandray fanapa-kevitra ny saiko hoe ajanony

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Androndra 29/10/2017
--------
Rohy:
1213 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204