You are here: home > Vetso

TIAKO HOHADINOINA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

TIAKO HOHADINOINA

mba vonjeo aho re rafanadinoina,
mba hanadinoiko ny andro fahiny
ianao no hany sisa mba azoko antsoina
hitsabo ny ratran'ity fo feno tsiny

mba tiako ho rava sy fongotra hatreo
ilay dinam-pitia nampitambatra anay
mantsy, raha fitiavana no toa mankaleo
tsy aleo ve ravàna sy hazera amin'izay,

raha toa ka hoe ady no sakafom-pitia
izay mahabotrabotra ny oron'ny lala
dia ny fo no marary no sady mahia
ka ny saina misaina fitiavana adala

mila vonjy aminao aho rafanadinoana
mba hanadinoiko ilay tena fitia
raha toa moa ianao ka tsy azoko antsoina
dia hizorako indray izao ny lalan-joria


RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
03-mars-2022