Tiako Ianao (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao !
Fa mbola tsy izao,
Fa mahareta kely
Fa tsy ho ela velively
Raha izany valinteniko
Tsy amila anao koa aho fa sao mantsy ho neniko!

Tiako ianao!
Fa saingy izao
Miandrasa ilay fotoana
Fa ho valiako eo foana
Izato fitiavanao
Raha toa tsy kilalao

Tiako ianao, fa avelao aho aloha handinika
Matahotra aho mantsy fa sao ho voahilika
Rehefa tonga ny fotoana,
Ka tonga eo anoloana
Irony fankam-panahy
Ka ho leo ianao, dia hanary ahy!

Tiako ianao tena tiako
Ka raha ny faniriko
Dia ny ho eo an-tratranao
Sy ny mba hotantananao
Ka tsy hisaraka mandrakizay
Fa hitambatra ho iray

“Eny tiako ianao izay no valiny”

nosoratan’i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Avril 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144