tiako ianao 3 (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO (14 febroary 2019)

malala a,
eto isika no hisambatra
hianoka ny mamy
eto isika no hitambatra
sy hibanjina ny ho avy

tena hampoka fitiavana
ny fo mitambatra ho iray
ka ho mari-pamantarana
ny fitiavako hatrizay
dia ventesiko eto imolotro
ilay teny nampiray
ary singan-draozy iray
sy teny mamy izay atolotro
mba hampitempo indray
ny fonao efa tia
teny tsotra sady fohy
no angatahiko amin-dry
hoe: ny molotro horohy
ary ho lazaiko mora
eo an-tsofinao
Ilay teny mamy indrindra
hoe: tena tiako ianao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
14-02-2019
--------
Rohy:
1416 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143