tohin'ilay (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOHINY
Sariaka:
eny àry fa tandremo mamitaka ahy eo a?

Nomentsoa:
izaho moa mba oviana no namitaka anao e! ianao izao no....! aleo tsy hotohizako fa sao dia mahatezitra anao eo izany e.

Sariaka:
inona ndray izao izany! hein, ianao a! efa niteny anao aho fa ianao irery ihany no ato am-poko hatramin'izao tsy misy ny ankoatr'izay! toy ny siny ny fitiavako ry Nomena tsy mitia afa-tsy rano ka asakasakao raha hihino na tsia!

Nomentsoa:
izay àry aloha fa hilaozako ianao e!

nony tao am-pianarana anefa dia samy tsy nifantoka izay fianarana akory izy roa fa samy variana ka matetika voatenin'ny mpampianatra! indro naneno ny lakolosy ka samy maika ny hivoaka e!
I Nomentsoa efa niandry azy teo amin'ilay fiarany, ary izy kosa nitsiky fa tsy namitaka azy tokoa ilay olon-tiany hatramin'izay!

Sariaka :
efa ela ialahy no niandry aho teto, mialatsiny fa somary taraiky fa ilay prof-nay be resaka be dia taraiky vao tafavoaka.

Nomentsoa:
heveriko f'efa lasa ianao koa, efa hanainga mihitsy aho io fa ela loatra ianao! ndao àry e miakara ato anaty fiara dia hanainga isika isika!

Sariaka:
hay ii Nomena koa izany tsy mahatoky ahy mihitsy! ndao àry e!
dia aiza isika no andeha? mba ho ento any toerana mbola tsy nalehako ry Nomena a!

Nomentsoa:
aiza ohatra no mety aminao? sa izay hitondrako anao dia mety?
(noentin'i Nomentsoa tany amin'ilay resto nitsoahany iny i Sariaka)

Sariaka:
oadray fa tsy tato ve ilay resto nidirako tamin'iny! ilay nitsoahako an'i Nomentsoa!
fa ato angaha isika no hiresaka?

Nomentsoa:
ie ato! fa ahoana? (niomehy kely)

Sariaka:
a!a!a, aaa, tsy maninona ka!

Nomentsoa:
gaga ianao e! fony aho nanaraka anao dia tato aho no niafenanao, ary niezaka ihany nanenjika anao kanefa dia tsy tazako tato ianao!

Sariaka:
hihihi, ianao ity koa dia mahatsikaiky mihitsy ka! ka ataovy aminao kosa ary aloha ny toerana e, olona tsy fantatrao izao no manaraka anao isan'andro eny dia tsy atahotra ve ianao?

Nomentsoa:
eny e, marina aloha izany e! fa izao ry Sariaka a! araka ilay nolazaiko anao tany mahajanga dia asa raha ho ekenao na tsy ny zavatra ho lazaiko eto!

Sariaka:
fa inona izany fa tsy tadidiko, betsaka koa mantsy ny zavatra nolazainao tamiko dia tsy haiko vinaniana daholo hoe iza tamin'ireny?

Nomentsoa:
fa ianao ve aloha mbola tena tia ahy hatramin'izao e?

Sariaka:
oadray ahoana koa ary izany fanontanian'ny malalako izany! tena tiako ianao ry Nomena malalako a! fa ianao no tsy haiko raha efa niova indrindra moa fa ireny fihetsiko izay efa hitanao ireny, fa raha izaho dia ilay tany mahajanga iny ihany tsy niova na kely aza.

Nomentsoa:
hatramin'izay tsy nahitako anao izay ry sariaka dia malok'ila foana ny fiaianako a, indrindra moa fa ilay fitiavako izay teo akaikin'ny afo mandoro ka toy ny nofafazana rano ka saika maty ny afo niredareda noho tsy nahateo anao, efa tena diso fanantenana kely ihany aho! saingy indro fa niposaka ihany ny masoandron'ny foko ka velona indray ny fitiavako!

Sariaka :
izany ve! aza matahotra intsony akia ry malalako a, efa eto aho izao ka ataovy izay tianao atao amiko!

Nomentsoa:
diso ve aho raha hilaza aminao hoe!!!!!

Sariaka:
hilaza inona, teneno fa inona àry ity!

Nomentsoa:
hilaza hoe tsy hianatra intsony fa hampiakatra anao ho ravaky ny tokantranoko amin'izay?

Sariaka:
an! Nomena! tena marina ve izany? avo ny lanitra ka tsy takatro, marina ve izany e?

Nomentsoa:
ie! marina izany! ary efa nilaza tamin'ireo ray aman-dreniko aho fa raha tahiny ianao ka hitako dia tonga dia halaiko vady! ary efa nivonona ny amin'izany aho fa raha sitrakao dia amin'ny alahady izao izahay no hiseho voalohany any aminareo any! dia tonga dia alamino ny fandaharam-potoana anareo any! tiako loatra ianao ry Sariaka a, ka izany no antony izao fanampahan-kevitro izao

Sariaka:
Nomentsoa, tena marina ve izany, oay! izany hafaliako, nefa ahoana indray ny fianarana amin'izany ary efa miasa ve ianao? sssh aleo izany aloha ho any fa aleoko manambady dia hita eo ny fanampahan-kevitr'i dadanay sy neninay raha ekeny! aleo fa teneniko zareo e, etsy horohako izany havako izany

Nomentsoa
izay ary fa sotroy aloha ireo dia ateriko any aminareo ianao avy eo e! fa tsy mbola asiana resaka an'izany raha tsy efa manontany angamba ry zareo! izay an!

Sariaka:
eny tompoko o! hihihi ndao amin'izay ary e!

ary rehefa izay dia nolazain'i Sariaka tamin'ireo ray amandreniny izany fa hanambady izy, tsy nisalasala moa izy ireo fa tsy maintsy nanadihady tsara an' i Sariaka ny momba ny Nomentsoa, i Sariaka raha teo efa ampy taona....

mbola hitohy

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
03/10/2017 ankadilalampotsy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana - fiainana
1300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147