TONOM-BAVAKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOM-BAVAKA!!!

Tompo o!
meteza Ianao hifonako,
meteza hitarainako
ny amin'ny zavatra tsy zakako
indrindra fa ny ratrako.

meteza hanadino,
meteza koa tsy hatsiaro
ireny ditra tsy mampino
tao anaty taona maro

meteza hamaly vavaka
dia meteza koa handre
ity feoko mangataka
tsy hoe akory marobe
ny zavatra angatahiko
fa iray monja fotsiny ihany
mba arovy ny fanahiko
ho tonga an-danitra any

izany no fivavahako
izany no fangatahako

Misaotra Tompo ô! Amen

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05/07/2018 tanjombato 18:48
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1489 1
Mpakafy: Niainahasina
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 11/03/2019 17:09)
mahafinaritra be, mankasitraka tompoko o!
ikalamako ( 12/03/2019 13:16)
am-pitiavana o !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685