TSIAHY NY PASKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia somary masitsika ka atao amin’ny feo somary masika mba hiampita tsara ami’ireo mpihaino ny hafatra tiana hampitaina!

Moa tsaroanao va ilay alim-panasana,
Izay niarahan'ny tompo tamin'ireo mpianany?
Ary tsaroanao va ilay jodasy izay nidiran'ny satana?
Ka vola telopolo no namadihany ny mpampianany!

Indrisy mantsy fa toa fahatsiarovana sisa
Ilay alim-panasana, ilay alim-pamonjena!
Fa ilay krisitiana mihitsy ankehitriny no tonga jentilisa
Ka nanimba sy namadika izato fanekena!

Ny fiatsarambelatsihy no hany mahazo vahana
F'ilay kristiana izay nanao ny fanekeny
No lasana nandositra voarebin'ny satana!
Ka tsy mahatsiaro intsony izato famonjeny

Ry kristiana o! nankaiza ilay fanekena ?
Izay noventesinao teo ambony alitara
Sa lamaody fotsiny ihany, ilay fanoloran-tena!
Sa haingo fotsiny ihany no nanokanana anao tamin’irony ankajo tsara!

Ilay alakimisy masina izay andro sarobidy
Toa zary fahazarana hivoahana alina!
Nefa andro manan-daza ary ora voafidy
Ka lasa ataon’ny sasany ho toy ny famonjena “bal”

Ry fiangonana o, miovà!

Fa ny paska anio dia paska vaovao;
Ary ny andro anio dia andro sarobiby,
Koa havaozy eto anio ny fanekenao
Ka ho marina ianao satria olom-boafidy!

Nosoratan’I RAIMS Randriamalala (mahavonjy aimé)
Copyright Paska 2017
--------
Rohy:
1304 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154